1 Thessalonians 1

1Paoly, Silasy, ary Timoty ho an’ny fiangonan’ireo Tesaloniana ao amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taloha dia mivaky hoe: “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.”]

2Manome fisaorana an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra, ka manonona anareo amin’ny vavakay. 3Izahay dia tsy mitsahatra ny mahatsiaro anareo eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo, ny asan’ny fitiavanareo, ary fahatokisanareo maharitra ho an’ny ho avy ao amin’i Jesosy Kristy Tompontsika.

4Ry rahalahy tian’Andriamanitra, fantatray fa Izy dia efa nifidy anareo, 5satria ny filazantsaranay dia tonga taminareo tsy tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery ihany koa, tamin’ny Fanahy Masina, ary ny fahatokiana be. Mitovy amin’izany, ianareo ihany koa dia mahalala hoe olona toy ny ahoana izahay teo aminareo noho ny aminareo.

6Nanjary nanahaka anay sy ny Tompo ianareo, tamin’ny nandraisanareo ny teny tamin’ny ady sarotra lehibe sy tamin’ny fifaliana avy amin’ny Fanahy Masina. 7Vokatr’izany, tonga ohatra ho an’ny rehetra izay mino ao Makedonia sy Akaia ianareo.

8Fa avy taminareo no nanenoan’ny tenin’ny Tompo, ary tsy tao Makedonia sy Akaia ihany. Fa kosa, teny amin’ny toerana rehetra no nielezan’ny finoanareo an’Andriamanitra. Vokatr’izany, dia tsy mila milaza na inona na inona isika. 9Fa izy ireo ihany no hilaza izay fandraisana azonay teo aminareo. Izy ireo dia milaza ny fomba nitodihanareo tamin’Andriamanitra ka niala tamin’ireo sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina. Izy ireo dia nitatitra fa ianareo dia miandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany tamin’ireo maty. Jesosy izany, izay manafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.

10

Copyright information for PltULB